TETIKASA TELEFERIKA: MANOMBOKA NY FANAMBOARANA NY HANDRY EO AMIN’NY GARA ANOSY

Efa manomboka ny fananganana no fototra hametrahana ny handry izay hametrahana ny garan’ny teleferika eo Anosy. Asa voalohany tanterahana ny fametrahana ireo fotodrafitrasa sy fitaovana rehetra hampifandraisana ny gara eo Anosy sy Soarano. Aorian’ny fametrahana ny fototra dia hapetraka ny fotodrafitrasa hametrahana ny gara eo ambony. Hatomboka avy hatrany ihany koa ny fanamboarana ny gara ao Soarano mba ahavitan’ny asa ao anatin’ny fotoana fohy. Raha ny nambaran’ny Sekretaram-panjakana misahana ny Tanana vaovao sy ny Trano fonenana, raha nitsidika ny fizotry ny asa fanamboarana ny teleferika tetsy Anosy dia ho vita mialohan’ny lalaon’ny nosy ny handrana amin’ny fotodrafitrasa voalohany, izay mitondra ny zotra volomboasary. Tsy misy olana ihany koa ny famatsiam-bola amin’ny fanatanterahana ny fotodrafitrasa. Nankatoavin’ny mpamatsy vola ny famoahana ny vola taorian’ny fahafenoan’ny fitondram-panjakana ireo fepetra napetrak’izy ireo.