28 septembre 2023

TOLIARA: VOATSABO MAIMAIM-POANA NY VAHOAKA

Misitraka tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana mandritra ny telo volana ireo vahoaka sahirana taorin’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Laharam-pamehana ny distrikan’i Morombe sy Toliara faharoa, izay tena voa mafy. Fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka sy ny Unicef.