TAKAITRA NAVELAN’NY RIVODOZA FREDDY: NITONDRA FANAMPIANA TANY MOROMBE NY FILOHA

Isan’ny nitondra takaitra tamin’ny fiverenan’ny rivodoza Freddy ny distrikan’i Morombe. Tonga nitondra fanampiana tany an-toerana ny Filoha mivady ka tamin’izany no nizarana fanampiana ho an’ireo tokantrano tra-boina mba hiatrehan’izy ireo ny andavanandrony. Andiany voalohany ihany izany fa mbola ho avy ny manaraka hoy ny Filoham-pirenena.
Isan’ireo dibodrano tamin’ny fandalovan’ny rivodoza ireo fotodrafitrasa naorin’ny fitondram-panjakana ka nanomezan’ny Filoha toromarika ny handefasana “motopompes” hitroka ireo rano. Nahazo fiara tsy mataho-dalana mpitondra marary ihany koa ny distrikan’I Morombe ankotran’ny « kits solaires » ary mba hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra ao an-toerana dia nanome toromarika ny Minisitra tompon’andraikitra ny Filoha Andry Rajoelina ny handefasana « groupe » vaovao ho an’ny Jirama ao Morombe. Nahazo moto ihany koa ireo ben’ny Tanana, ahafahan’izy ireo mijery akaiky ny vahoaka any amin’ny toerana saro-dalana.Taorian’ny fizarana ireo vatsy dia nisy ihany koa ny fizarana sakafo mafana ho an’ireo olona marefo tao Morombe.