« Ilay maridrefy tena tsara, Radio Madagasikara ».
“Studio VAHANDANITRA”, fandraisam-peo sy fikirakirana tantara an’onjampeo no tsangambaton’ny faha-90 taonan’ny Radio Nasionaly Malagasy. Isan’ny mampalaza ny Radio Madagasikara ny tantara, na ny indray mihaino, na ny fanaraka isan’andro, ka izay no nanoloran’ny Minisitera mpiahy, dia ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ity “Studio” vaovao ity, ary rariny loatra raha nampitondraina ny anaran’I VAHANDANITRA, izay mpilalao tantara nikoizana tao amin’ny RNM izany. Natokanana ny faha -23 jolay teo ny Studio VAHANDANITRA, ary misokatra ho an’ny rehetra, ho fidirambolan’ny ORTM ihany koa.
Notanterahina teo an-tokotaniben’ny ORTM ny fankalazana ny faha-90 taonan’ny RNM ny faha-23 jolay lasa teo. Na ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay nisolo tena ny Minisitra, na ny talen’ny RNM dia samy nampahatsiahy, fa teo foana ny RNM niaina sy nampiaina ny tantaran’i Madagasikara. Tohana maro avy amin’ny Minisitera mpiahy no hanatsarana ny RNM, ka tato anatin’ny roa taona mahery izao, dia “studio” 2 vaovao, fanatsarana ny feo, ary fampitaovana “informatique” ny sampana fampahalalam-baovao no isan’ny fanavaozana nentina tao amin’ity Radio Nasionaly ity, ary mbola mitohy ny fanatsarana. Raha tsiahivina dia ny faha-29 Aprily no datin’ny tsingerintaona, fa noho ny hamehana ara-pahasalamana, dia natao tao amin’ny onjampeo ihany ny fankalazana.
Lanonana ara-panjakana, fandefasana sarimihetsika mahakasika ny tantaran’ny RNM, fampirantiana, rindran-kira, nahitana mpanakanto maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy ary fanokanana ny Studio VAHANDANITRA no nanamarika io andron’ny 23 jolay io. Mbola hitony hatramin’ny 28 aprily 2022 ny taom-pankalazana.
90 TAONA NY RNM “Ilay maridrefy tena tsara, Radio Madagasikara”
Ny 29 Avrily 1931 no nandeha ny onjam-peo voalohany niainga avy eo Antaninarenina teo amin’ny tranon’ny ONE teo aloha izay tsy naharakotra afa-tsy ny 5 km manodidina azy ihany ary ora roa no faharetan’ny fandaharana izay amin’ny teny frantsay manontolo.
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
Nanokatra ny vaovao atoandron’ny RNM androany ny Minisitra mpiahy, Lalatiana ANDRIATONGARIVO, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Notanisainy tamin’izany ireo dingana nataon’ny fitondram- panjakana nandritra izay 2 taona izay amin’ny fiahiana ny haino amanjerim-panjakana toa ny fampitaovana hirosoana amin’ny teknolojia maoderina: Fampitaovana ny sampana fampahalalam-baovao, ny studio… Ankehitriny, miroso amin’ny fametrahana ny “site web” sy ny “web radio” mba ahazoan’ny rehetra ny RNM, an-dalana ihany koa ny fametrahana studio lehibe natokana ho an’ny filalaovana tantara izay ho tsangambaton’izao faha-90 taona izao. Fisaorana, fankasitrahana ary firariantsoa ho an’ny mpiasan’ny RNM noho izao faha 90 taona izao no namaranan-dRamatoa Minisitra ny anjara fitenenany.
Nisy ny fanoratana ny boky volamenan’ny fankalazana sy ny fanapahana mofo mamy niarahana tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny ORTM sy ireo mpiasa ao amin’ny RNM, vahiny nasaina manokana ny mpanakanto Jaojoby.
Mandritra ny herintaona no hanatanterahana ny fankalazana aorian’izao hamehana ara-pahasalamana izao.