NOHO NY FIOVAN’NY TOETRANDRO: TSY MITSAHA-MIHENA NY VOKATRA KAFE ANY ITASY

Misy fiantraikany ratsy amin’ny fambolena kafe any amin’ny faritra Itasy ny fiovan’ny toetrandro. Tsy afaka mamboly mandava-taona intsony ireo tantsaha noho ny fihanaky ny aretina mahazo ireo fototra kafe. Sarotra velomina ihany koa ireo fototra kafe efa misy satria mila fikarakarana be, tototry ny atsanga sy ny fasika ny tany noho ny doro tanety.
Nahitana fihenany araka izany ny vokatra kafe tany amin’ny faritra Itasy tato anatin’ny taona vitsivitsy. Raha nanome 15 kilao ny fototra kafe iray teo aloha, tsy misy afatsy sivy na folo kilao izany amin’izao fotoana izao. Tsy manana vahaolana ankotran’ny fampiasana ady gasy ireo tantsaha manoloana ireo olana ireo. Ny fampiasana zezi-pahitra, ny zezika kankana sy ireo akora natoraly fandroahana biby no tena imasoan’izy ireo.