28 septembre 2023

MIALY RAJOELINA: « TSY TOKONY HO FANAKA MALEMY INTSONY NY VEHIVAVY »

Tsy tokony ho fanaka malemy na ravaky ny lalana na haingon’ny tokantrano intsony ny vehivavy fa manana andraikitra sy ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena », io no nasongadin’ny vadin’ny Filoha Mialy Rajoelina, reny mpiahy ny hetsika 8 martsa teny amin’ny kianja Barea Mahamasina. Ny manabe zazavavy dia manabe firenena. Mifandray amin’izany ny lohahevitra nanamarihana ny 8 martsa tamin’ity taona ity dia ny hoe « Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tenan’ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovainjafy ». Zava-dehibe, fototry ny fiainana ny fanabeazana ary lalana azo antoka indrindra hitondra fivoarana isam-batan’olona ka mila hampianarina ny zazavavy, hoy Mialy Rajoelina.
Nomarihiny hatrany fa fototry ny fampandrosoana ny vehivavy manomboka eny amin’ny fiaraha-monina ka hatrany amin’ny firenena, manefy ny taranaka ho olom-baona, mahay mandrindra ny fotoana hitadiavana loharanom-bola sy hikarakarana. « Mila fiofanana sy fanohanana izy ireo ahafahany miavotra, mahaleo tena sy mihary », raha ny nambaran’i Mialy Rajoelina tamin’ny lahateniny.
Ny solotenan’ny Firenena Mikambana, sady solotenan’ny UNFPA eto Madagasikara dia nanamafy fa fotoanan’ny fandraisana andraikitra izao hampanjariana ny zon’ny vehivavy, hanafoanana ny herisetra sy hampizaka-tena azy ireo.
Marihina fa fikambanam-behivavy miisa 53 avy amin’ny faritra 23 no nandray anjara tamin’ny diabe natao tetsy Mahamasina ho fanamarihana ny 8 martsa.