28 septembre 2023

MANDALO ETO MADAGASIKARA NY IRAKY NY BANKY IRAISAM-PIRENENA MANATANTERAKA DINIKA AVO LENTA.

Noraisin’ny filoha Andry RAJOELINA ny tale jeneralin’ny BAD Banky Afrikanina ho an’i Fampandrosoana misahana ny tapany atsimon’i Afrika Ramatoa Leila Mokaddem. Voaresaka nandritry ny fihaonana ny paik’ady hampandrosoana an’I Madagascar eo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. Mpiara-miombon’antoka stratejika ny BAD, mitondra ny anjara birikiny , nodinihana miaraka ny fomba hanatanterahana haingana ny PEM na ny fandaharan’asà’ny fanjakana hampandrosoana ny firenena. Zava-dehibe tohana efa nomena, vonona ny hanohy ny fiaraha-miasa raha teo ny BAD.
Ny sehatry ny fambolena no tena hanohanany antsika toy ny fanatsarana ny seha-pamokarana , ny ady amin’ny tsy fanjarinjakafo, fanodinana vokatra . Manana tetik’asa hiarahany amin’ny fanjakana Malagasy ny BAD Isany faritra vatsiany vola ny any atsimo andrefana amin’ny alalan ´ny tetikasa fanarenana ny fotodrafitr’asa fambolena, ny fanamboaran-dalana. Zava-dehibe ny fanohanana eny ifotony fototra hiaingan’ny fampandrosoana, hoy ny tale jeneralin’ny BAD. Ny filohan’ny repoblika Andry RAJOELINA raha teo efa nanamafy ny adisisika ny amin’ny tokony hanohanana an’i Madagascar amin’ny azy amin’ny tsy fanjarian-tsakafo tany Dakar Sénégal, ka nahazoantsika famatsiam-bola.
Mila omena toerana manokana ny tanora maro an’isa handray anjara amin’ny fampandrosoana, ho fanofanana azy ireo no nametrahana ireo ivon-toeram-pikotrehana orin’asa.
Momba ny angovo, ny BAD dia isan’ny mpamatsy vola @ny fananganana ny tetik’asa Sahofika, mamatsy herinaratra avy amin’ny rian-drano. Hafainganaina ny asa fametrahana ity fotodrafitr’asa ity ahafahany mampiodina azy aingana ho famaliana ny filan’ny mponina. Tsy misy fampandrosoana raha teo raha tsy misy angovo, hoy ny tale jeneralin’ny BAD misahana ny tapany atsimon’i Afrika Leila Mokaddem.