28 septembre 2023

HO HAMPITOMBOANA ROA TAPITRISA NY MPANDOHA HETRA

Tombanana ho 4.796 miliara Ar ny hetra hiditra amin’ny Fanjakana amin’ity taona 2023 ity. Ezahina ho hampitomboana roa tapitrisa ireo mpandoha hetra. Ho vinavinaina hiakatra 12% ny tahan’ny tsindri-ketra amin’ny taona 2023. Ireo no vina ao anatin’ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakana amin’ity taona 2023 ity, raha ny tatitra navaoakan’ny tale jeneraly ny hetra Germain tetsy amin’ny Plan Anosy ny Alakamisy 02 Mars 2023. Misy ny fanalefahan-ketra ho an’ireo entana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany; toy ny akora ilaina amin’ny fanamboarana simenitra, ireo fitaovana ilaina amin’ny fananganana hotely lehibe, ny fampiasam-bola amin’ny fanafarana biby any ivelany izay mila fankatoavana amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra.
Fantatra nandritra ny tatitra fa averina ho 20% ny hetra (TVA) alaina amin’ny mpandrahrahan’ny solika. Nihatra nanomboka ny volana Janoary 2023 teo izany, raha toa ka 15% no nalohan’ireo mpandraharaha ireo.
Hoan’ny taona 2022 dia 73,75% tamin’ny vina napetraka no tratra tamin’ny fampidiran-ketra. Mitentina 3.608 miliara Ar araka izany ny vola azo izay ny fahambangana 1.200 miliara Ariary. Isany nahatonga ny fahambangana, ny tsy fandoavan’ny kaompani-tsolika ny hetra akoatra ny valan’aretina covid 19 sy ny krizy manera-tany.