28 septembre 2023

FANKALAZANA NY 8 MARTSA: VEHIVAVY MIAVOTSE 460 NAHAVITA FIOFANANA

Notolorana mari-pankasitrahana sy fitaovana ahafahan’izy ireo mihary ireo vehivavy Miavotse miisa 460 avy amin’ny faritra 23 eto Madagasikara. Nisitraka fiofanana momba ny fandrahoana sakafo sy fanaovana mofo mamy ary fiofanana momba ny fitantanana tsotra izy ireo, ho fampahaleovan-tenan’izy ireo, ahafahany miavotra sy miarin-doha. Tonga nanolotra izany teny amin’ny Mining Business Center Ivato ny alahady 04 martsa ny Filoha mivady. Namaly ny fangatahan’ireo vehivavy ny vadin’ny Filoha no sady filohan’ny fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina ka nanambara fa ho tohizana hatrany ny fanomezana fiofanana tahaka izao ho an’ireo vehivavy manerana an’i Madagasikara.
Ny Filoha Andry Rajoelina kosa dia nanamafy fa hifanome tanana amin’ireo fikambanam-behivavy manerana ny lafy valon’ny nosy ny fitondram-panjakana na eo amin’ny lafiny fiofanana na fampitaovana mba hananan’izy ireo antom-pivelomana sy tsy hiankin-doha amin’ny hafa intsony. Miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka toy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa na OIT ny fitondram-panjakana amin’ny fampananan’asa ny vehivavy, tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny rariny ara-tsosialy.